Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampivelarana ny kabary: hitohy ny “Takalo dinika amorom-patana”

    Fampivelarana ny kabary: hitohy ny “Takalo dinika amorom-patana”

    Tao anatin’ny fotoana nampivaivay ny valanaretina Covid-19 no nitsimohan’ny hevitra fa hampiasa ny teknolojia amin’ny fampivelarana ny kabary ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany). Nosalorana ny anarana “Takalo dinika amorom-patana” izany ka nanjary fomba fiasa raikitra eo anivon’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana ny hasin’ny kabary malagasy.
    Hisantatra ny taona 2022, anio, sady hisorona ny afo ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpika­roka, akademisianina, birao foibe sady renala Fimpima, sy Ranjatohery Harilala mpampianatra tantara, akademisianina, renala Fimpima. Amin’ ny alalan’ny “zoom” sy ny “facebook” no hitondran’izy ireo ny dinika izay tontosaina ao anatin’ny adiny roa (amin’ ny 4 ora hariva ka hatramin’ ny 6 ora hariva, oran’i Mada­gasikara). “Rary taom-baovao” kosa ny lohahevitra.
    Manomboka manana ny lanjany eo amin’ny fampivelarana ny kabary malagasy
    ny “Takalo dinika amorom-patana” satria afaka mandray anjara mivantana amin’izany avokoa na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Maro ny hevitra hifanakalozana no miteraka fahalalana vaovao.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.