Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Literatiora marolafy : ho etsy Tsimbazaza ireo mpikabary, Slam, tononkalo…

    Fihaonana miavaka sy hanan-danja. Ho ambohim-pihaonan’ireo mpankafy sy mpiangaly ny literatiora ny etsy amin’ny Valan-javaboahary etsy Tsimbazaza. Hifa­mo­toana eny an-toerana izy ireo ary manasa koa ireo liana amin’izany ny alahady 16 janoary izao. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny hetsika sy ny korana ary ny fiaraha-mifaly. Hisy ny seho sy fanentanana samihafa, hanehoana izany literatiora marolafy izany. Eo ny fiangaliana ny kabary, ny fivente­sana ny Slam, ny antsan-tononkalo. Manampy izany ny fane­hoana hatsikana sy seho an-tsehatra fohy ho an’ ny teatra.
    Fotoana koa anefa io hi­fankafantaran’ireo mpisehatra rehetra amin’ny literatiora sady hifampiarahabana sy hifampirariana soa noho ny taona vaovao 2022. Hanao­vana tombana sahady ihany koa ny mety ho vina iraisana amin’ny ho avy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.