Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2022: hahazo vahana kokoa ny seho evanjelika

    Taona 2022: hahazo vahana kokoa ny seho evanjelika

    Efa hita taratra sahady! Antoko mpihira sy tarika mpiangaly ny hira evanjelika maromaro no efa nilaza fa feno ny fandaharam-potoanan-dry zareo ho an’ity taona 2022 ity. Tranga azo adika fa hanana ny lanjany sy hahazo vahana kokoa ny seho evanjelika ato ho ato. Ankoatra ny lazan’ny tarika, anisan’ny antony nahatonga izany ihany koa ny zava-mitranga eto Madagasikara sy maneran-tany. Anisan’ireny ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, fahantrana mihoam-pampana mahazo ny Malagasy, sns. Nanjary nitodika bebe kokoa any amin’izay heveriny fa ahitany famonjena ny fo amam-panahin’ireo mpitia zavakanto. Mitady izay hankahery azy eo amin’ny fiainana izy…
    Tsy tranga vaovao loatra ny tahaka izany fa saika fahita maneran-tany sy isam-pire­nena, raha ny fanazavan’ireo mpandinika fiarahamonina. Lasa manaraka ny zava-misy ao anatin’ny fiarahamonina, ny fironan’ny zavakanto. Na­hatsiaro ho mbola voagejan’ ny mpanjakazaka an-tanin’ olona, ohatra, ny mpanakanto tany amin’ny taona 1972. Nanjary nihanaka be ny hira “tolona” nitaky ny tena fahafahana. Tsy afaka teny am-bavan’ny Malagasy maro izy ireny.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.