Iza izy ? Ben’ny Tanànan’i Talatamaty, Raharinoasy Elie Dominic. 41 taona ary manambady sy zanaka iray. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo malagasy. Mpikatroka Judo fony fahakeliny ary tia ny basikety sy volley-ball. Mpanamory fiarakodia amin’ny Run. Mankafy ny gadon-kira malagasy sy vahiny.
Nianatra momba ny “Transit et douane”, taorian’ny nahazoana ny bakalorea ary nisehatra teo anivon’ny fitaterana. Nanangana ny orinasa fampanofana fiarakodia eo amin’ny fizahantany avy eo.
Niaiky ny tenany fa tsy moramora ny fiainana. Tsy tokony ho mora kivy anefa ny tanora fa mila mihetsiketsika hatrany. “Ianao ihany no afaka manova ny fiainanao fa aza miandry ny hafa”, hoy izy.
Anisan’ireo tanora niaina ny krizy politika ny tenany. Efa naniry hatry ny ela hiditra amin’ny antoko Tim saingy efa taty aoriana vao tanteraka izany ka nahavoafidy azy ho ben’ny Tanàna eny Talatamaty.
Olana ny eo anivon’ny “Trésor” sy ny toe-tsaina
Nambarany fa anisan’ny sakana ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny tsy fahampian’ny vola na eo aza ireo fanampiana madinidinika. Olana koa anefa ny toe-tsaina. “Tsy mahay mikolokolo sy manaja ny ananana. Lasa fahatarana ho amin’ny fampandrosoana ny kaomininay manokana ny fitantanan’ny Tahirim-bolam-panjakana “Trésor” ny vola. Sarotra ny famoahana izany nefa ilaina atao haingana ny asa”, hoy izy. Anisan’ny vahaolana narosony ny tokony hampitomboana ny fanampian’ny fanjakana foibe ny eny ifotony. Eo koa ny tokony hamerenana ny fanabezana olom-pirenena “Civisme” eo amin’ny fampianarana mba hiverina ny fifanajana.
Tsy afa-bela tamin’ny Covid-19 koa ny eo anivon’ny kaominina. Na izany aza, nahavita asa ihany izy ireo. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana teny anivon’ny fokontany : Amborompotsy , Faralaza, Tanjondava, Ankadivory, Mandriambero, Fitroafana, Mamory miray Antoby – Antsahambilo. Eo koa ny fanavaozana ny EPP amin’ny fokontany efatra. Ny fametrahana jiro amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany miisa 12. Ezaka ataon’ny kaominina koa ny fanafainganana ny asa sy ny famaliana ny filan’ny mponina. Naverina koa ny mpanadio sy ny fifehezana ny fako eny anivon’ny fokontany. Fisitrahana rano madio hanakaiky vahoaka. Ny fanampiana ireo tanora mitady asa sy ny fampitaovana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny masomboly.
Fanamboarana tsena sy biraon’ny kaominina
Manampy izany ny asa sosialy ho an’ireo zokiolona sy ireo sahirana. Fanetsehana ny tanora eo amin’ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny fifaninanana: kitra, tsipy kanetibe, haiady, fifaninanana “Miss/Mister”. Valisoa sy fampitaovana ireo afaka CEPE sy BEPC ary fialan-tsasatra any Foulpointe ho
an’ireo afaka bakalorea. Fanampiana ny Zap sy ny Cisco mandritra ny fotoam-panadinana : fakana sy fanaterana ny “Sujet d’examen”, fanomezana “Goûter” ireo mpianatra sy mpampianatra. Fanamboarana CSB II sy ny fanaovana didim-poitra faobe.
Mbola betsaka anefa ny tsy vita. Anisan’izany ny fanamboarana tsena sy ny biraon’ny kaominina. Eo koa ny fanamafisana ireo efa natao teo aloha. “Mifantoka amin’ny fampandrosoana ety ifotony sy ny sosialim-bahoaka izahay amin’ny ankapobeny”, hoy izy.
Nangonin’i Synèse R.