Depiote Razakandrainy: “Mila mitandrina isika”

“Raha isika no hampitovy ny demokrasia aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ny demokrasia any amin’ny firenen-dehibe efa lasa lavitra amin’ny fandrosoana, handeha ila ihany ny fomba fijery. Mbola marefo ny demokrasia eto amintsika, ary mila fitandremana ny fampiasana an’izay tena hoe demokrasia izay.”

Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Sakaraha, tamin’ny anaran’ny IRD, Raza­kan­drainy Henri Dominique, momba ny fandraisana sy fandikana ny fanambaran’ny von­­drona iraisam-pirenena momba ny tsy fahazoana ma­nao famoriam-bahoaka an­ka­lamanjana, araka ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany.

Tsy hitovy na oviana na oviana ny demokrasia eto Ma­dagasikara sy any Etazo­nia, ohatra, na any Angletera, na any Frantsa… Eo amin’ny lafiny fandrosoana, misy ma­nampahaizana amin’ny tany mandroso milaza hoe tsy misy ny demokrasia raha tsy misy fandrosoana. “Noho iza­ny, tsy afa-kiziriziry isika hoe tena tapahina tanteraka ny fomba fanehoan-kevitra eto Mada­gasikara. Tsy afa-kanao koa isika hoe avela malalaka na barahiny izany”, hoy izy.
Mila tandrovina ny fihavanana
“Tsy maintsy jerena ny foto-pisainana malagasy: ny fitandroana ny fihavanana ao anatin’ny fampiharana ny demokrasia”, hoy ihany izy. Eo koa ny fijerena ny lafiny sosialin’ny vahoaka amin’izay demokrasia izay, ny mbo­la mamparefo ny fampiharana azy.Niahiahy ireo firenen-dehibe nanao fanambarana. Miankina amin’ny mpisehatra politika rehetra izay. Tsy ny fanjakana irery ihany no tokony hampihatra ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Fa inona no andraikitry ny tsirairay ao anatin’izay? Manana andraikitra amin’izany ny fitondram-panjakana, ny mpitarika antoko politika rehetra, ny vahoaka.
“Koa raha hitora-bato isaky ny misy fanambarana ataon’ny fitondram-panjakana isika, misy ihany ny elanelam-panahy tokony hojerena momba izany. Demokrasia no resaka, fa manana ny soatoavina maha malagasy antsika koa isika: ny fihavanana”, hoy izy.Ny fitandroana ny fihavanana izay, indrindra ny filaminana alohan’ny fifidianana izay no hoe fahamarinan-toerana politika: tsy misy maharatsy ny fandraisana fepetra ho amin’ny filaminana.

R. Nd.

Partager sur: