“Ny tena zava-doza amin’izao fotoana izao: noho ny politika, mizarazara isika Malagasy ary samy manana ny lokony. Mila tsy ho haintsika ny miaina amin’ny fametrahana ambony ny soatoavina hoe: loko iray ihany isika dia Malagasy, ra iray sy aina iray ihany no mampiombona antsika. Izay aloha no apetraka ambonin’ny politika, izay vao miditra amin’ny politika.”
Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Mitaky fanabeazana izay fametrahana amin’ny toerany ny soatoavina izay, mila fifehezan-tena sy fifehezan-tsaina. Ilaina fihavanana politika ho an’ny mpanao politika mba hanabe ny olona manara-dia azy ary ho an’ny vahoaka mba hahay hifehy tena. Fa tsy ny politika no atao hampizarazara eo amin’ny fiainana.
“Izay no anaovana antso avo. Na ho avy ny fifidianana, na tsy amin’ny fifidianana, na aiza na aiza na rahoviana na rahoviana: ilay maha aina sy fanahy iray ny maha olombelona antsika Malagasy rehetra aloha no tokony hotandrovina toy ny anakandriamaso. Ny maha iray antsika rehetra izany”, hoy izy.
Mila ampiorenina izay fanabeazana sy fifehezan-tena politika izay. Aoka mba tsy hifandranindranitra amin’ny politika. Manahirana ny fifandroritana, fa mifantoka hatrany amin’ny hoe maha malagasy ny fo sy ny saina fa tsy manaiky hizarazara na hozarazaraina. Raha tsy izany, voazanaka amin’ny fomba hafa indray ny tena : mbola zarazarao hanjakazakan’ny hafa eto hatrany.
R. Nd.