Depiote Tsaradia Marco : “Mizaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ny maneran-tany”

“Ny amin’ny fidangan’ny vidim-piainana no lohahevitra tena nibahan-toerana. Niara-nijery ny vahaolana ny rehetra, fa tsy ny firenena afrikanina sy i Madagasikara ihany. Samy mizaka izany fiakaran’ny vidim-piainana iza­ny ny maneran-tany amin’izao, hatramin’ny firenena mandroso toa an’i Frantsa, i Etazonia… ”
Io ny tatitry ny depiote voafidy tany Ampanihy An­drefana, i Tsaradia Marco, momba ny fivoriambe, Réu­nions de Printemps, 2023, nandraisan’ny parlemantera 60 mahery maneran-tany an­jara, niarahana tamin’ny Vondrona Banky iraisam-pirenena (GBM) sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), tany Washington, Etazonia, ny 10 sy 11 avrily lasa teo.
Voaresaka koa ny mosary amin’ny toerana maro aty Afrika. Tsy navahana tamin’
izany ny kere any atsimon’i Madagasikara, nitondrana vahaolana sy soso-kevitra teo anoloan’ny GBM sy ny FMI, araka ny fanazavany. Eo ny tokony hanamboarana fotodrafitrasa momba ny rano, indrindra ny lalana hahazoana mitondra ny vokatra avy amin’ireo faritra sahirana.
Ilaina ny vahaolana maharitra

Nankasitrahan’ny parlemanta malagasy, izay noso­loin’ny depiote voafidy tany Ampanihy Andrefana sy Ambatolampy tena, ny fa­nampian’ny GBM sy ny FMI an’i Madagasikara. Anisan’ izany, ohatra, ny Fandaha­ranasan’ny Firenena mikambana (ONU) momba ny sakafo (Pam) amin’ny vonjitaitra amin’ny sakafo, fandriampahalemana… Tsy manakana amin’ny fikarohana sy fangatahana vahaolana maharitra izany, hahazoan’ny vahoaka mahaleo tena amin’ny fitadiavana sakafo.
Ankoatra ny fahefana mpanao lalàna, anisan’ny delegasiona malagasy ta­min’izany ny avy amin’ny fahefana mpanatanteraka, no­tarihin’ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola, Ra­barinirinarison Rindra Ha­simbelo, izay anisan’ny voafidin’ny Afrikans Leadership Magazine (ALM) ao anatin’ireo 25 eo amin’ny haitarika amin’ny fampandrosoana ny toekarena aty Afrika na teo aza ny dona isan-karazany.

R. Nd.

Partager sur: