Namaky bantsilana ny zava-misy amin’izao fikarakarana ny fifidianana izao ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Morondava, afakomaly. “Misy governera aty amin’ny faritra atsimo aty mamorona fokontany sy birao fandatsaham-bato tsy misy ary tsy ara-dalàna ka mila mailo isika manomboka izao”, hoy izy. Nohitsiny koa fa misy olon’ny minisiteran’ny Atitany mamita iraka any ho any ary efa mametraka tetikady amin’ny hala-bato miainga amin’ny lisitry ny mpifidy.
Nambarany tamin’ireo mpikatroka Tim, niatrika izao kongresim-paritra izao, fa fotoan-dehibe entina hanomanana ny fifidianana izany fihaonana izany. Nohenoiny avokoa ny fitarainana ho an’ireo nanatrika sy nanara-maso ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. “Tsy tokony hanaiky izany hosoka izany mihitsy isika”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nofaranana vonjimaika ny fanoratana ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. “Entano ny havana sy ireo mpiray tanàna mba hijery sy hanamarina ny anarana ao anatin’ny lisitra”, hoy izy.
Synèse R.