“Ny endriky ny tolona vaovao: inona ny rafitra hapetratsika hahazoana manara-maso akaiky an’ireo olona nirahina hampiasa fahefana? Hatrany an-tampony ka hatraty ambany izany. Satria misy ny fanodinkodim-bola hatrany ambony.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William.
Lasa malemy tsy manam-bola ny fanjakana noho ny fanodinkodinam-bola, ary jerem-potsiny ireo manao izany. Vokatry ny kolikolim-pifidianana izany no nahavoafidy izay karazana mpitondra izay, ary anisan’ny fototry ny olana. Amin’izao iheverana ny mety hisian’ny fihaonambe izao, izay rafitra izay no tokony hojerena akaiky.
Toy ny mifantoka fotsiny amin’ny fifidianana : ahoana ny lalàm-pifidianana, ny lisi-pifidianana, ahoana ny HCC sy ny Ceni… ? Hadino ny fototry ny olana : ahoana ny rafitra hapetraka hampatanjaka ny fitondrana, ka mba tsy hisy afa-kanodinkodina intsony ny fananam-bahoaka? Mba hahazoan’ny vahoaka misitraka ny ny harena eto. Izay no tena fahafahana marina. “Ahoana no hanorenantsika an’izay rafitra izay mba hahazoana mampivoatra ny firenena fa latsaka an-katerena?” hoy izy.
R. Nd.