“Ny mpitarika ny antoko no miova, fa mitoetra hatrany ny foto-kevitra”, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, taorian’ny famaranana ny zaikabe nasionalin’ny antoko teny amin’ny foibe toerany, Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo. Efa natomboka tany amin’ny faritra tamin’ny taon-dasa ny zaikabe, ka fifidianana sy fampahafantarana ny birao nasionaly vaovao hiasa mandritra ny dimy taona ny famaranana. Izy no filoha fahatelo, taorian’ny fahalasanan’ ny filoha mpanorina, Rajaonah Andrianjaka, taona 2018. Filoham-boninahitra ny filoha faharoa, Rajaonarison Edouard, ary Randimbimiarisoa Dieudonné no sekretera jeneraly vaovao.
“Tsy mampiova ny foto-kevitry ny Otrikafo ny fivadiky ny taona. Eo ny tsy fiankinan-doha sy ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy. Manampy ireo ny fanjakana tan-dalàna. Arakaraka ny vanim-potoana no hiovan’ny paikady ankapobeny enti-miatrika ny raharaham-pirenena. Mitoetra ny foto-kevitry ny antoko, izay somary manahirana ny hafa. Vao mainka aza mihamafy izany, fa manahirana ny fiainam-pirenena amin’izao. Manery hiezaka hitondra ny anjara birikiny izany, tsy hitsitsy fitenenana miaraka amin’ny sosokevitra.
Tsy niresahana raharaham-pirenena betsaka ny famaranana ny zaikabe. Ny zava-dehibe ho an’ny mpanara-baovao, indrindra amin’ny toe-draharaha politika amin’izao: samy miezaka manao izay ahitana sy ahafantarana azy ny antoko tsirairay. Napetraky ny lalàna ny tokony hanaovan’ny antoko zaikabe isaky ny dimy taona. Eo koa ny mbola fahavononany hiatrika hatrany ny raharaham-pirenena, na ao anatin’ny fahasarotana aza ny firenena amin’izao. Mila fijoroan’ny tsirairay izay.
R. Nd.