Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny raharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. “Manamarika izahay manoloana ireo lanonam-panjakana etsy sy eroa fa manararaotra amin’ny lafiny maro ny fitondrana ankehitriny”, hoy izy ireo. Notanisain’ny fanambarana amin’izany fa mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika. Efa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no misy raha zohina ny zava-misy. Nametra-panontaniana koa ny KMF/Cnoe amin’ny fandaniana mihoapampana amin’ireny lanonam-panjakana ireny, raha mihoatra amin’ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny. “Tsy mitondra any amin’ny fitoniana izao endrika fanararaotana izao, ary voahitsakitsaka tanteraka ny demokrasia”, hoy ihany izy ireo. Takin’ny KMF/Cnoe ny hampiharana mitovy na fanafoanana ny fanambarana, ny 31 marsa lasa teo, mandrara ireo hetsika politika atao ankalamanjana ka miverina amin’ny fampiharana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna momba ny famoriam-bahoaka.
Synèse R.