Vonjy iray tsy mivaky : “Azo atrehina ny fifidianana… “

“Ilaina ny fihaonambem-pirenena mialoha ny fifidianana, raha hita hoe tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Tsy mety raha fifidianana mitarika korontana. Azo atrehina ny fifidianana, raha manaiky ny hisian’izay ny ankamaroan’ny mpisehatra amin’izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Vonjy iray tsy mivaky (Vitm), ny Dr Razanabahiny Marojama Christian, tamin’ny filankevi-pirenena nataon’ny antoko teny Ambohidratrimo, ny herinandro teo.
Anjaran’ny rehetra ny mahafantatra na ilaina na tsia ny fitondrana Tetezamita. Ma­tetika, hankan’ny hafa hevitra ny Vitm, satria tsy momba ny atsy na ny aroa. Fameloma-maso ny antoko no atao amin’izao hiatrehana fifidianana. Manomboka amin’ny fifidianana filoham-pokontany iza­ny, na ben’ny Tanàna, na de­piote, na filohan’ny Repob­li­ka.
“Irin’ny olona rehetra ny hoe fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny be­sinimaro ny valim-pifidianana. Tsy tsara raha misy lonilony rehefa vita ny fifidianana”, hoy izy. Ny fametrahana ny rafitry ny antoko no tena natao tamin’ny filankevi-pirenena faha-VI. Anisan’izany ny fametrahana ny birao politika. Eo ny fitetezam-paritra hametrahana ny rafitra sy ny birao isam-paritra.
Ny kongresy nasionaly no hankato ny fijoroan’ny birao politika vaovao sy ny mpitantana isam-paritra, tamin’ny filankevi-pirenena. Feno 50 taona ny antoko ary hahatsiaro ny faha-20 taona nahalasanan’ny filoha mpanorina, Razanabahiny Marojama Je­rôme.

R. Nd.

Partager sur: