Niaiky ireo mpiady hevitra sy namelabelatra fa tsy marisika eo amin’ny resaka politika ny tanora. Anton’ izany ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nambaran’ny talen’ny famoahana ny gazety boky “Politikà” sady mpanao gazety, Andriamanambe Raoto fa eo ohatra ny fahadisoam-panantenana amin’ny fifidianana. “Hitondra vokatra inona eo amin’ny firenena raha handray anjara izy ? Ny zava-misy eto amin’ny firenena koa tsy mamparisika azy ireo”, hoy izy, tetsy Ankadifotsy. Niaiky koa anefa ny tenany fa efa maro ireo miantsehatra eny anivon’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena. Ipetrahan’ny demokrasia avokoa izany ary mitaky ezaka amin’ireo antoko politika handresy lahatra ireo tanora, araka ny nambarany. “Tokony hanome ny hoavy ho an’ireo tanora ny fanjakana ary mitaky ezaka amin’ny tanora koa izany mba handray anjara amin’ny fifidianana”, hoy izy.
Mitaky fanabeazana
Voaresaka koa fa maherin’ny 50% ireo tanora nefa tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ny sasany amin’izy ireo ka mitaky fanabeazana fohy sy lavitra ezaka izany. Maro koa ireo maro anisa mangina ka tokony resena lahatra ary mitaky andraikitra sosialy sy politika izany. Ny politika koa fiainana andavanandro ary efa manasoa vahoaka rehefa manao politika.
Tsiahivina fa laharana faha-30 ity boky “Politikà”, navoakan’ny FES ity ary miompana amin’ny tanora sy ny sehatra politika ny votoatiny. Eo koa anefa ny fihariana sy toekarena ary ny tontolo iainana. Iarahana miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) izany.
Synèse R.