Nitondra fanazavana manoloana ny tsikera mivaivay mahazo azy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nahabe resaka tato ho ato.
“Azo sazina ny Ceni raha mandika lalàna, fa tsy resahina fotsiny hoe tsy mety ny ataony. Tsy midika fankahalana izany, fa mifampiresaka sy mifampitaiza. Torio ny Ceni raha mandika lalàna. Raha misy zavatra mampiahiahy na mampihazohazo, inona no tsy hanatonana ny Ceni? Manontany izay tsy mazava.” Io ny nambaran’ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, manoloana ny fitsikeran’ny mpanao politika sasany izay rehetra ataon’ny Ceni amin’izao.
Anisan’ny lesoky ny mpanao politika na ny firaisamonina sivily ny tsy fandraisana andraikitra. Mpanara-maso izy ireo, mijery izay mety ho tsy fahalavorariana mifanohitra amin’ny lalàna ary mpanabe olom-pirenena koa. Matetika ny mpanao politika sasany, rehefa tsy mitovy amin’ny eritreriny ny ataon’ny Ceni, lazaina fa tsy mety fa tsy teneniny hoe tsy araka ny lalàna. Ny dikan’izany, tokony hamaky lalàna hatrany aloha vao miteny.
“Izay voalazan’ny lalàna ihany no ampiharin’ny Ceni”, hoy izy. Tsy resahina sy atao adihevitra fotsiny izay lazaina, fa tokony ho eo ambany mason’ny tena ny lalàna. Ahoana no inoan’ny olom-pirenena fa marina izay lazaina, raha tsy eo ny lalàna? Izay koa no maha mpanabe olom-pirenena azy ireo.
Ilaina ny fandraisana andraikitra
Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. Nakatona vonjimaika tamin’ny 11 avrily lasa teo izany. Manana 20 andro ny olom-pirenena hijereny sy hanamarinany ny momba azy amin’izay lisitry ny mpifidy izay, manomboka amin’ny nahatongavan’izany eny amin’ny fokontany. Andraikitry ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily ny manentana ny olom-pirenena amin’izany, fa tsy mitazam-potsiny na zara aza misy zavatra tsy mety mba hotsikeraina.
Misy fahazaran-dratsy koa eny anivon’ny fokontany, ka ilaina fanaraha-maso ny ataon’ny lehiben’ny fokontany sy ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) sasany. Indraindray, rehefa tonga any amin’ny fokontany ny olom-pirenena: anontaniana ny karapanondro sy ny anarana; avy eo, lazaina fotsiny hoe ao izy, fa tsy hamarinina ny momba azy sao misy diso. Misy zarina amin’izay fanamarinana ny momba azy izay ny olom-pirenena.
R. Nd.