Iza izy ? Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Andramasina, Andriamanjato Liantsoa Bina. 46 taona ary mbola mpitovo, tsy manambady.
Anisan’ny sakafo tiany ny trondro. Fialamboly ankafiziny ny mitsangantsangana. Mpankafy baolina kitra sy ny basikety. Tia ny gadon-kira malefaka ary anisan’ny ankafiziny ilay hira “Akaiky mpamonjy”. Mpihira tiany ny tarika Mahaleo sy ny mpanao hiragasy, Rateloson Andohavary.
Nahazo ny “Masters” momba ny lalàna i Bina taorian’ny nahazoany ny bakalorea. Tale mpanorina ny LP Mahatsara, any Tsarahonenana.
Malagasy sy kristianina
Anisan’ny nanamarika azy teo amin’ny fiainana ny fahafatesan’ireo iray tampo aminy sy ny reniny, maty nifanesy.
Nambarany ary ampitainy amin’ireo tanora ny tokony hanehoana amin’ny mpiara-belona fa olombelona ianao. “Tsy izany ihany anefa fa Malagasy koa ary kristianina”, hoy izy. Efa mpikambana teo anivon’ny fikambanana DRV sy ny fiarahamonim-pirenena PFN-OSCM ny tenany. Eo amin’ny politika kosa, efa mpikambana tao amin’ny antoko Tim sy ny eo anivon’ny HVM ary niverina Tim amin’ izao fotoana izao.
Mpitantanana marina sy mahay ary hendry
Nambarany ho anisan’ny olana eo amin’ny fanaovana politika ny tsy fahatongavan’ ny vola tokony ho an’ny vahoaka. Vahaolana narosony ny tokony hananantsika mpitondra hendry sy mahay ary olo-marina sy masina. “Tafiditra ao anatin’izany ny olom-boafidy sy ireo olom-boatendry rehetra”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nahitsy ny depiote Bina nilaza fa anisan’ ny maha taraiky ny distrikan’ Andramasina ny resaka politika. Eo koa ny haratsin’ny lalana sy ny herinaratra. Momba ny mbola haha kandidà azy na tsia amin’ny fifidianana de-piote manaraka eo, mazava ny valin-teniny. “Apetraka amin’ Andriamanitra izany”, hoy izy.
Nangonin’i Synèse R.