Fanamarinana lisi-pifidianana: nanentana ny teny Alasora Ravalo

Nihazo ny teny Ambato­malaza, Alasora ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana. Niara-nifarimbona tamin’ny mponina eny an-toeranao izy nanamarina ny anaran’ny olom-pirenena ao anaty lisi-pifidianana. “Mankasi­traka ny sefo fokontany sy ianareo tonga maro nifarimbona nanamarina ny anaran’ ny tsirairay tao anaty lisi-pifidianana”, hoy izy. Nentaniny ny isan-tokantrano mba hanatona ny biraon’ny fokontany hisoratra anarana, ho an’ireo tsy mbola nanao izany ary hanamarina kosa ny anarany ho an’ireo efa voasoratra anaty lisi-pifidianana. “Raiso ny andraikintsika amin’ny fanamarinana ny anarana”, hoy izy.

Tsy fahatomombanana

Tsiahivina fa efa avy nanamarina ny anarany sy ny fianakaviany teny amin’ny fo­kontany Faravohitra ny filoha nasionalin’ny Tim, afakomaly. Voamarika tamin’izany fa nahitana fahadisoana ny anaran’ny vadiny, Ravalomanana Lalao ka nanaovana fanamarihana izany. “Tokony hanamarina ny mombamomba azy avokoa ny rehetra… Tsy fant­atra na avy aiza ny tsy fa­hatomombanana tamin’ny fahitana ny lesoka”, hoy ihany izy.

Nanteriny fa tsy afaka maneho safidy sy tsy afaka ho fidiana na hanara-maso ny fifidianana na hitaraina koa raha miseho ny tsy fanarahan-dalàna, raha tsy ao anaty lisi-pifidianana. Zava-dehibe ny fanaraha-maso tahaka izao, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: