Fiaraha-miasa amin’i Frantsa: hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly

Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana teny Faravohitra, omaly, ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois. Voaresaka tamin’izany ny lafiny teknika namaritana ireo sehatra iaraha-miasa, eo amin’ny firenena roa tonta.

Mitovy fomba fijery ny roa tonta amin’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Anisan’ izany ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatanterahana ny fitsarana ma­nakaiky vahoaka”, hoy ny tatitry ny eo anivon’ny minisitera.
Na izany aza, mety ho anisan’ny voaresaka teo amin’ny minisitra sy ny masoivoho ny “Raharaha Apollo 21”, nikasana hamono ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny voasaringotra amin’izany ireo teratany frantsay ary mbola tazonina am-ponja eto amintsika, efa ho roa taona izao. Efa nitaky ny hampodiana ny terataniny, hamita ny saziny any Frantsa ry zareo Frantsay. Tahaka izany koa ny fianakavian’ireo Fran­tsay ireo. Nijanona teo ny ra­haraha.
Miara-dalana amin’izany koa anefa ny nihemoran’ny fahatongavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Catherine Colonna eto amin­tsika.

“Apollo21” sy ny fitakiana ireo Nosy

Tokony ho avy ny faran’ny volana avrily ity tomponandraikitra ambony frantsay ity saingy nahemotra ho amin’ny faran’ny volana mey indray izany. Tafiditra amin’ny dinika ifanaovany amin’ny mpitondra eto amintsika ny momba io “Raharaha Apollo 21” io. Eo koa anefa ny fitakiana ireo Nosy malagasy sy ny hanohizana ny dinika eo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta.
Midika izany fa efa fanomanana ny fahatongavan’ity minisitra frantsay misahana ny Raharaham-bahiny ity izao dinika nifanaovan’ny ambasadaoro tamin’ny minisitry ny Fitsarana izao, ankoatra ny resaka fiaraha-miasa, efa ma­hazatra.

Synèse R.

Partager sur: