Loholona Ramanambintana Richard: “Aoka hajanona ny fanelingelenana fifidianana”

“Hiatrika fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2023, faritan’ny lalàmpanorenana isika. Koa aoka hajanona ny fanelingelenana sy ny fanakantsakanana rehetra tsy ha­hatanteraka izany fifidianana izany”, hoy, ny filohan’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi) sady loholona, Ramanambin­tana Richard, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sa­sany amin’izany. Mba hitondra fitoniana ho an’ny rehetra ny hiatrehana ny fifidianana, ary tokony hifanentana amin’ izany na ny mpitondra na ny mpanohitra.
Tsy omen-tsiny ny fomba fijery fanoherana. Satria efa izay izy: natao hanohitra, mety hanaratsy sy hankahala koa. Ankoatra ny fanajana ny la­làmpanorenana, aoka ny soatoavina maha malagasy antsika tsy maintsy apetratsika ho ambony indrindra. Ny fifidianana 2023 no hibahan-toerana ao amin’ny fon’ny tsirairay avy eto Madagasikara, ary tokony hifanentana ao anatin’izany.
Tokony hifanentana koa ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy sy hanao fanamarinana izany. Mbola afa-misoratra anarana amin’izany ny tsirairay avy. Ny amin’ny hoe ilaina ny fikaonandoham-pirenena hijerena ny lalàm-pifidianana: tsy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no nanao ny lalàm-pifidianana, fa fankatoavana ny lalàm-pifidianana teo aloha no enti-miatrika ny fifidianana amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: