Pasteur Mailhol : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Efa nambarako tamin’ny radio sy televiziona maro, ta­min’ny volana janoary: koron­tana politika be no hitranga maneran-tany. Anisan’izany ny eto Madagasikara. Koa raha mandeha ny korontana politika, tsy misy fifidianana azo atao”, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Gideona fandresena ny fahantrana eto Madagasikara (GFFM), ny pasitera Mailhol André Chris­tian Dieu Donné, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy maintsy handeha ny fitondrana Tetezamita amin’izany. Mety afaka roa taona raha malaky vao mety hisy fifidianana.

Niteny koa izy hoe tsy hisy intsony ny valanaretina coronavirus maneran-tany. Mahita ny rehetra amin’izao fa tsy misy manentana hanao vaksiny intsony, tsy misy mi­taky karatra fahavitana vak­siny, tsy misy manao arovava orona koa maneran-tany. Nefa tsy mino izay lazainy ny olona, araka ny nambarany.

Nanome vahaolana izy tamin’izany hoe: mila mifanatona dia mifampidinika hialana amin’ny korontana politika. Amin’izay no hijerena izay fomba handaminana an’izany. Sao mba misy famindrampo avy amin’Andriamanitra ihany. “Ny olona vao mahita ahy dia hoe mangina fa 2013 e! Mpa­minany sandoka e! Ny zavatra noresahiko hatramin’izao, izaho tsy filoham-pirenena sisa no tsy tanteraka. Izay noresahin’Andriamanitra nolazaiko, tanteraka avokoa”, hoy izy.

Raha jerena ny toe-draharaha politika amin’izao fo­toana izao, mafanafana ihany. Raha tsy mijery vahaolana ma­laky, tonga ihany io zavatra noresahiny io: tsy misy fifidianana amin’ity taona ity, araka ny nambarany ihany.

R. Nd.

Partager sur: