Ho avy amin’ny faran’ny volana mey eto amintsika ny lehiben’ny diplaomasia frantsay, Catherine Colonna. Hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ny tenany amin’izany. Tsy azo ihodivirana ny hiresahan’ny roa tonta ny momba ny fanafahana ka hampodiana any Frantsa ireo terataniny mirahalahy, Philippe François sy Rafanoharana Paul, tazonina am-ponja eto amintsika. Anisan’ireo voarohirohy ho atidoha sy tao ambadiky ny fikasana hanongam-panjakana na ilay “Raharaha Apollo21” izy ireo.
Etsy andaniny, eo koa ny hiresahana ilay fivorian’ny vaomiera eo anivon’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”. Efa natao teto amintsika ny dinika voalohany, ny 18 novambra 2019, teny Andafiavaratra. Tokony ho nitohy tany Paris ny faran’io taona io na ny fiandohan’ny taona 2020 izany saingy tonga ny valanaretina Covid-19 ka tsy tanteraka.
Nangingina ny raharaha
Nangingina ny raharaha taorian’izay. Nipoitra indray ny resaka tamin’ny taon-dasa ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny dinika eo amin’ny vaomiera roa tonta, hatao any Frantsa. Antony avy amin’ny fitondram-panjakana indray anefa no tsy naharaikitra azy. Araka izany, ho fantatra amin’izao fihaonana izao izany ny fotoana hanatanterahana indray ny dinika any Paris, miainga amin’ny tolokevitr’ity minisitra frantsay, misahana ny Raharaham-bahiny ity.
Tsiahivina fa tokony ho avy eto amintsika ny faran’ity volana avrily ity ny tenany saingy izao nahemotra ho amin’ny 28 sy ny 29 mey izao indray. Hihazo ny atsy Afrika Atsimo ity tomponandraikitra frantsay ity aorian’izany.
Synèse R.