“Mba hisy trondro vaventy voasazy amin’ny fanaovana kolikoly sy fanodinkodinam-bola”, hoy ny filohan’ny Komity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Antaninarenina, afakomaly, tamin’ ny tatitra ny asa vita tamin’ny taon-dasa. Malahelo ry zareo raha nandritra ny dimy taona fe-potoam-piasana iray manontolo lanin’ny Antenimierampirenena, nefa tsy misy na iray aza entina hampangaina eo anatrehan’ny Fitsarana avo (HCJ). Iaraha-mahalala fa misy minisitra eo anivon’ny governemanta tsy maintsy entina hampangaina eo amin’ ny HCJ. Toa tsy voasazy mihitsy ny trondro vaventy ? Koa miandry ny parlemanta ry zareo hanao ny fampiakarana ny raharaha fiampangana.
Eo koa ny didy fanenjehana, ny didy fampiharana sy ny didy isan-karazany momba ny fanambaram-pananana. Angatahina amin’ny Bianco mba hatao fitantanana mihetsika hahazoana manao fampitahana ny fanambaram-pananan’ ny kandidà tamin’ny 2018 sy ny fanambaram-pananan’ny kandidà 2023, sao misy fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. “Tianay hohafainganina ny raharaha, fa be dia ny antontan-taratasy mbola andrasana momba ny ady amin’ny kolikoly. Be dia be ny fanatsarana azo atao. Manantena izahay fa ho haingana kokoa ny fametrahana izay rehetra ilaina mba hahomby ny ady amin’ny kolikoly”, hoy izy. Mihisatra loatra izany, fa tsy tena ao tsara ny finiavana politika.
Andrasana ny didin’ny fitsarana tampony
Kaonty amin’ny banky miisa 420 sy fiara 175 no nogiazan’ ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), hatramin’ny niasany 2022. Miisa 196 ny fanapahan-kevitra momba ny fanagiazana, izay kolikoly sy fanodinkodinam-bola taorian’ny 2018. Na izany aza, mbola tsy azo averina amin’ ny fanjakana izany, fa miandry ny didin’ny fitsarana tampony.
R. Nd.