Fanakorontanana fifidianana : mampitandrina ny minisitry ny Fiarovana

“Antso avo no atao amin’ ireo mety manana eritreritra hanakorontana, fa ho hentitra izahay amin’ny fampanja­kana fandriampahalemana sy fitandroana filaminana mano­loana an’ireo mandika lalàna na manohintohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, teny Ivato, afakomaly, tamin’ny fandraisana ny helikoptera natolotry ny filoha Rajoelina ho an’ny Tafika.

Nohamafisiny fa tsy adidy fotsiny fa tena andraikitra ny fitandroana fandriampahalemana sy ny fiarovana ny an­drimpanjakana mijoro eto amin’ny firenena. Nosinga­niny manokana amin’izany ny fiadidiana ny Repoblika, izay ny filohan’ny Repoblika no lohany. Mahazo matoky izy sy ny vahoaka malagasy ma­nana azy ireo, tsy handraraka ilo mby an-doha fa hanatanteraka antsakany sy andavany ny adidy napetraka aminy.

“Manome toky ny vahoaka malagasy izahay fa hanao ny ainay tsy ho zavatra mba hisian’ny filaminana, na mialoha na mandritra ary indrindra aorian’ny fifidianana”, hoy izy. Mahazo matoky ny vahoaka malagasy fa izy ireo, na miaramila na zandary na polisy: avy amin’ny vahoaka sy miasa ho an’ny vahoaka ary miverina amin’ny vahoaka. “Manentana ny tsirairay izahay mba hiara-misalahy ha­na­tanterahana antsakany sy andavany izany fanamby le­hibe amin’ny fifidianana izany”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: