Justice et Paix : “Aoka ho maodely ny mpanao politika”

“Aoka ho maodely amin’ny lafiny rehetra ianareo mpa­nao politika. Tsy ny fanaovanareo kabary ambony vavahady na kobaka am-bava na fizarazaranareo vola sy zavatra etsy sy eroa akory no haneken’ny vahoaka sy hanarahany anareo, fa ny fahitany ny fiainanareo andavanandro”. Io ny fehinkevitry ny fivoriamben’ny Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, teny Amo­ronankona By- Pass, ny faran’ny herinandro teo, nentin’ny sekretera jeneraly na­sionaly, ny pretra Andriana­solo Sata Jean Noël. Aoka ho fitaratra ny mpanao politika, hanalavitra ny fifanaratsiana, fifampihantsiana, fifanenjehana.

Adidin’ny manampahefana ny mandray fepetra hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny fampiharana ny lalàna amim-pahamarinana sy ara-drariny eny anivon’ny fitsarana, fisahanana ny filaminam-bahoaka, fahasalamana, ny fananantany, harena an-kibon’ny tany… Aoka ireo raiamandreny na eny anivon’ny fitondrana na mpanohitra, na ara-piarahamonina, ara-drazana, na ara-pinoana hijoro amin’ny maha raiamandreny azy ireo ka tsy hanavakavaka na hifanao ankolafiny fa hampihavana sy hampifankatia.

Entanina ny vahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny aina sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ny marina. Am­pirisihana tsy hiraviravy tanana fa ho sahy handray andraikitra ao anatin’ny firaisankina ka hiezaka hanaraka ny fepetra manaja ny soa iombonana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tsy hanaiky ho resin’ny fampirantiana vola sy harena, seza sy voninahitra… ataon’ny hafa.

Tsara ny politika

“Tena mampalahelo ny mahaheno vahoaka miteny hoe: “Leo politika izahay.” Noho izany, lasa ratsy ny fiheveren’ny olon-tsotra ny politika”, hoy izy. Sehatra iray lehibe hanehoana ny tena fanompoana, raha atao amim-pitiavana sy fanajana, araka ny fampianaran’ny papa Fransoa. Feno fitaka sy lainga ny fanaovana politika, ary saika fampanantenana poakaty no be. Fanararaotana ny fahantran’ny vahoaka no ataon’ny mpanao potitika sasany. Mba hahazo vola sy harena haingana ary seza sy voninahitra matoa manao politika. Tsara ny mahita ny ankamaroan’ny olona liana amin’ny fifidianana. Mbola misy ireo tsy mirona amin’izany, mihevitra tsy hanova inona. Raha tiana hizotra amim-pilaminana sy amim-pitoniana ny fifidianana, ilaina ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: