Ravalomanana tany Sava : “Hiaraka hanova ny tantara isika…”

Nitohy tany Sambava sy Antalaha, ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena, na­taon’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc ny faran’ny herinandro teo. “Hiaraka hanova ny tantara isika”, hoy izy. Nankasi­tra­hany ny fomba nandraisana azy ka mampihetsi-po ny mpanorina ny Tim. Notante­rahina tany an-toerana ny kongresim-paritra. Eo koa ny fanentanana ireo olona rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana, hisoratra anarana ary hanampy azy ireo hanamarina izany ho an’ ireo efa nahavita nisoratra anarana teny amin’ ny fokontany. Nifampitafa mi­vantana sy nifampiresaka amin’ireo vahoaka ny tenany. “Henoko avokoa ny manjo anareo. Tsy hamela anareo ho irery aho, araho ny toromarika rehetra”, hoy izy.
Etsy andaniny, niantso fandraisana andraikitra ny tenany sy ny tokony hijoroana ary koa ny tsy tokony hanekena lembenana. Nohitsiny fa tsy ilaina izany valifaty politika izany.
Nialoha izany, nihaona amin’ny mponina Ambohima­narina ny tenany. “Tsy maintsy misy ny fifidianana, fa aza matahotra ianareo”, hoy izy. Nankasitrahany ny Ceni, vonona hiasa miaraka. Na­voakan’ny Ceni amin’ny “site web” ny lisitry ny mpifidy vonjimaika.

Fitsirihana ny rindrambaiko
Na izany aza, mbola mangataka ny Ceni ihany izy hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy. Tsy lojika ary tsy ara-dalàna ny hoe: tany Imerinkasinina, ohatra, araka ny nambarany, olona tsy mipetraka ao amin’ny fokontany, nefa voasoratra anarana ao an-toerana. Avy amin’ny informatika no mahatonga an’izany. Aleo ny samy manampahaizana no hiresaka. Nisy ny fitsirihana natao niaraka tamin’ny OIF, fa tsy mbola mahafa-po. Maika be ny Malagasy manao ny lisitry ny mpifidy, fa tena ao anatin’ny fahasahiranana ary te hiala amin’izao fahasahiranana izao.

R. Nd.

Partager sur: