« Caravane de Droit » : hampahafantarana ny lalàna

Fanentanana amin’ny alalan’ny andiana fiara. Hanom­boka rahampitso, handalo eny Talata Volonondry sy Anka­zon­dandy ny “Caravane de droit” na ny fiara Zo. Hitohy any Anjozorobe izany, ny 27 avrily izao. Andiana fiara hanaovana hetsika hampahafantarana ny zo sy lalàna eny anivon’ny vahoaka izany ka iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Sampan-draharahan’ny firenena mikambana misa­hana ny fampandrosoana (Pnud). Nambaran’ny tomponandraikitra, maro ireo tsy tena mbola mahalala ny lalàna ka natao izao hetsika izao hampahalalana izany ny rehetra. Eo koa anefa ny fizarana ireo paikady eny amin’ny fitsarana eny anivon’ny vahoaka. Ma­nampy izany ny fampahafantarana ny zo tokony hositrahin’ny tsirairay. “Afaka mifampiresaka sy mametra-panontaniana mivantana ary mitafatafa amin’ireo tomponandraikitra ny rehetra amin’ izany”, hoy ihany izy ireo. Anisan’ny hiara-dalana sy hamaly ny hetahetan’ny va­hoaka amin’izany ireo mpiasan’ny fitsarana rehetra. Eo ny mpitsara, ny mpiraki-draharaha sy ireo avy amin’ny mpandraharaha ny fonja. Anisan’izany koa ireo mpisolovava, ary ny «Notaire». Tafiditra amin’ny tanjon’ny minisitera amin’ny fanakaikezan’ny fitsarana ny vahoaka izao hetsika izao.

Synèse R.

Partager sur: