Lisitry ny mpifidy : miisa 379 000 no tsy maintsy harenina

“Maro ireo olom-pirenena milaza fa nisoratra anarana nefa tsy hita ao anatin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Izay indrindra no anaovana fanaraha-maso sy fitsirihana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­marotafika Soava, teny Ala­robia, omaly. Nahatratra
379 000, ohatra, ny isan’ny olom-pirenena izay nisy tsy fahatomombanana ny momba azy amin’ny fisoratana anarana. Tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra nivoaka farany teo ireo, ankoatra ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa izay nanaovana fanontana sy fitsirihana.
Farafahakeliny, tsy main­tsy hitaraina ireo mpifidy 379 000 ireo hoe nisoratra anarana nefa tsy tafiditra. Ireo izany no harenina amin’ny lisitry ny mpifidy. Misy koa ireo tsy tafiditra noho ny antony samihafa: fahadisoana ta­min’ny fandraketana tamin’ny ordinatera, ohatra. Mbola entanina hisoratra anarana izy ireo, miaraka amin’ireo tsy mbola nisoratra hatramin’
izay.

Mila misoratra anarana vaovao ny rehetra
Manentana hatrany ny tomponandraikitra Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) tsy ankanavaka amin’ny fisoratana anarana. Mety ho olana amin’ny fiarahamonina, fa tsy voatery ho antony politika ka mahatonga ny fitarainan’ny mpanao politika sasany hoe nesorina ao anaty lisitra ny ana­ran’ireo mpiara-dia aminy.
Ny tsy azo hadinoina, misy amin’ireo olom-pirenena nisoratra anarana tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral) mieritreritra fa tsy mila misoratra anarana intsony amin’izao. Nefa fandrafetana vaovao ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tsy ampiasaina intsony ny lisitra teo aloha. Mila manoratra anarana vaovao avokoa izay nisoratra teo aloha sy ny tsy mbola nisoratra hatramin’izay.
Betsaka ny mitaky ny hoe atao biometrika ny fisoratana anarana. Nefa tsy vita eo am­bony latabatra izany, fa tsy maintsy manisa olona tsirairay. Izay voaisa ihany no tafiditra ao anatin’ny lisitra. Tsy mbola misy resaka kosa ny momba ny biraom-pifidianana amin’izao. “Tsy mbola na­maritra ny amin’izany ny Ceni, fa ny ezaka ataonay mba ha­nakaiky ny mpifidy ny birao fandatsaham-bato”, hoy izy. Eo amin’ny mpifidy 700 ny bi­raom-pifidianana iray, fa in­draindray sakana ho an’ny mpi­fidy ny fahalavirana re­hefa tonga ny fotoam-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: