Depiote Rakotomanga Lanto : “Depiote 109 no manohana ny filohan’ny Repoblika”

Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe momba ireo depiote ny solombavambahoaka IRD, Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mbola ao anatin’ny heriny izy ireo amin’izao fotoana izao.

«Amin’ny fidirana amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, mbola mahatratra 109 izahay depiote manohana ny filohan’ny Repoblika», hoy ny depiote IRD, voafidy tao An­tananarivo II, Rakoto­manga Lanto, teny Tsimbazaza, oma­ly, ny amin’ny fisintahan’ny depiote sasany amin’ny fanohanana ny fitondrana. Misy IRD izy ireo amin’izany, misy GPR sy tsy miankina.
Hita mivantana fa mampiseho ny firaisankinany sy ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika amin’ny famitana velirano sy ireo fotodrafitrasa ireo depiote. Vavolombelona koa izy ireo amin’ny fitsidihana sy fitokanana zava-bita manerana an’i Madagasikara. Tsy milaza fotsiny hoe manohana ny filoha izy ireo, fa mijoro vavolombelona amin’izany.

Ny depiote no tena mahafantatra ny filan’ny vahoaka

“Nahita izahay ary ahazoanay miteny amin’ny va­hoaka fa miasa sy mampiseho fampandrosoana ny fitondrana ankehitriny”, hoy izy. Mety misy depiote sasany tsy hita loatra mitaha amin’ny mpikamban’ny governemanta. Iaraha-mahafantatra fa manana ny adidiny eny amin’ny faritra nahavoafidy azy avy ny depiote. Izay no mahatonga azy ireo miantso sy mila fanomezan-tanana amin’ireo mpikamban’ny governemanta. Efa misy ny fifanatonana sy ny dinika natao mba hamitana haingana ireo fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka eny ifotony.
“Eny ambony latabatra ihany ny minisitra, fa mety hoe misy toerana iray idinany”, hoy ihany izy. Fa ny depiote no tena mahafantatra ny filan’ny vahoaka eo amin’ny fari-pifidianana nahavoafidy azy. Ilaina ny fiaraha-miasan’ny mpanatanteraka sy ny depiote hahazoana mahita an’ireo hoe fotodrafitrasa mila hatao mialoha sy haingana eny anivon’ny distrika.

Misy ny fitsinjaram-pahefana

Misy koa ny fitsinjaram-pahefana ao anatin’izay. Satria efa manao an’izay ny fitondrana ankehitriny, araka ny fanazavany. Hatra­min’ izay, tsy mbola misy ny fanomezana tetibola ho an’ny faritra, distrika, kaominina amin’ny alalan’ny lehiben’ny distrika sy ny depiote. Mandeha avokoa izany amin’izao hahazoana mampandroso haingana ny disitrika mba tsy hisy hadino.

R. Nd.

Partager sur: