Fepetra famoriam-bahoaka : manaitra ny HCC ny MMM

Tsy nipetra-potsiny. Na­nao fanambarana teny amin’ny foiben-toerany eny Anke­rana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, oma­ly. Anton’izany ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Atitany, mandrara ny fivoriana sy hetsika politika ankalamanjana, ankoatra ny hetsika politika karakarain’ny fanjakana. Eo koa ny nanakanan’ny sefo distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasain’ny MMM hatao, ny zoma teo, tany amin’ny kaominina Imito. Nian­tso ny HCC izy ireo hanambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany fanapahan-kevitry ny minisitera izany, mba hiarovana ny zo fototra hifamory am-pilaminana sy fahalalahana maneho hevitra hametrahana ny demokrasia. “Manitsakitsaka ny Lalàmpanorenana sy ny fa­nambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, araka ny voalazan’ny fifanarahana iraisam-pirenena mom­ba ny zon’ny olom-pirenena sy ny politika izany”, hoy izy ireo. Nanterin’ny MMM fa tokony halefan’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana any Fianarantsoa any amin’ny HCC ity raharaha ity ahafahan’ny eny Ambohidahy mitsara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana io fepetra noraisin’ny minisitera io.

Tsy fotoanan’ny didin’ny besandry

Nekentsika anefa izany ny taona 1971 ary voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny antoko politika, milaza fa malalaka ny fivoriana sy ny hetsika an­kalamanjana, ataon’ny antoko politika. Hentitra ny birao politika, ny Me Rakotomalala Rija fa mariky ny fihemorana amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana izao. “Ma­nitsakitsaka ny fanapahan-kevitra eny ifotony ny fahefana mivangongo ao amin’ny fanjakana foibe”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny MMM fa mamela malalaka ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, mbo­la mpifaninana ny taona 2018, hikarakara hetsika an-kalalahana sy hitety faritra ivelan’ny vanim-potoanan’ny propagandy ireo lalàna ma­nan-kery, tsy manavaka va­nim-potoana mialoha sy mandritra ny fifidianana. “Aoka hatsahatra tanteraka ny didin’ny besandry fa efa nilaozan’ny toetrandro mba ahafahan’ny tsirairay eny ifotony mifidy ny laharam-pahamehana sy manatsara ny ampitso ho an’ny isan-tokatrano”, hoy ny MMM.

Synèse R.

Partager sur: