Nandray ambasadaoro roa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, afakomaly, tetsy Anosy. Teo ny masoivohon’i Italia, Paolo Cuculi. Hiasa eto amintsika fa hipetraka atsy Afrika Atsimo. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny italianina ny tenany nialoha ny nanendrena azy ho ambasadaoro aty Pretoria, ny taona 2019. Voaresaka teo amin’ny roa tonta ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ny fifanakalozana eo amin’ny kolontsaina, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bolan-dry zareo Italianina eo amin’ny angovo nohavaozina. Nambaran’ny vahiny fa maherin’ny 30 000 ireo mpizahatany italianina tonga teto tamin’ny taon-dasa. Tombanana hahatratra hatrany amin’ny 80 000 izany amin’ity taona ity.
Noraisin’ny minisitra koa ny masoivohon’i Norvezy, i Gjermund Saether. Efa nitana andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny norvezianina koa ny tenany teo aloha. Miompana eo amin’ny fanabeazana sy ny fanjakana tsara tantana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Eo koa ny lafiny fambolena sy ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetrandro.
Nampanantena ireo ambasadaoro ireo ny minisitra fa hizotra ao anatin’ny fitoniana sy filaminana ny fifidianana hatao eto amintsika.
Synèse R.