Mby aiza ny fiatrehana ny fanomanana fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony: “Mila miova ny toe-tsaina, mila manana finiavana sy sahy mijoro ary miatrika… Izay no mpisehatra olom-pirenena tomponandraikitra mba tsy ho voarebireby sy asavovoron’ny politika.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy vonjimaika amin’izao?
Andriamanana Nivoarivony (-): Hita eny anivon’ny fokontany, araka ny tatitr’ireo fikambanana miara-miasa any rehetra any: saro-piaro amin’ny fanamarinana ny anarany ny mpifidy. Ao anatin’ny fahamarinana ve ny lisitra? Tsy misy ny tonga lafatra. Na izany aza, tsara hita dieny izao aza ny lesoka hahazoantsika manarina sy manatsara izany. Mba hisian’ny fitokisana sy ny fitoniana ny amin’ny lisitry ny mpifidy izany. Misy ary maro ireo somary mangingina na ireo maro anisa mangina milaza fa mandany fotoana ny manamarina lisitry ny mpifidy. Nefa mandeha manao an’izay ihany ry zareo, satria tsapany ihany hoe adidy izay.
* Ahoana ny amin’ireo olom-pirenena mampifangaro ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy amin’ny fanavaozana tanteraka?
– Misy tokoa izay… Anjaran’ny tsirairay, indrindra ny mpanao politika, ny manentana ny manodidina azy amin’ny fisoratana anarana vaovao. Fanavaozana manontolo no atao amin’izao, fa tsy ilay fanao isan-taona izay tsy ampiasana intsony ny lisitra fototra amin’izany. Tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra ho azy amin’izao izay tsy misoratra anarana. Koa raha te hifidy ny tena, mila misoratra anarana vaovao. Mbola tsy tratra aoriana izao, fa hatramin’ny 31 mey no hahazoana misoratra anarana.
Aza hadinoina fa vinavina ny hoe 13,5 tapitrisa ny isan’ny mpifidy, mitaha amin’ny taham-pitomboan’ny mponina aty Afrika. Anisan’izany i Madagasikara. Vinavina iny fa tsy hoe tsy maintsy izay. Arakaraka ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana koa izany, fa tsy azo terena hisoratra anarana izy. Mety hitombo aza io vinavina io, raha mazoto ny olom-pirenena. Ireo tanora vao feno taona no tena mahatonga io vinavina io.
* Nahoana no latsaky ny isan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny isan’ny mpifidy amin’izao, araka ny fijerin’ny mpanao politika sasany?
– Mety ireo maro anisa mangina no hoe leo politika: tsy misoratra anarana, fa tsy hifidy intsony. Nefa tsy fantatr’izy ireo ny safidy hatao amin’ny fifidianana no miantoka ny hoavy. Rehefa tsy manatanteraka ny adidy aman’andraikitra amin’ny maha olom-pirenena hatramin’ny farany ny tena, manomboka amin’ny fisoratana anarana sy ny fanamarinana izany ka hatramin’ny fandatsaham-bato: izay hatrany no mandiso fanantenana amin’ny ankapobeny.
Manentana ny mpanao politika, na firaisamonina sivily, na fikambanam-pinoana, sns, hanentana koa ny manodidina azy hisoratra anarana izay tsy mbola nisoratra anarana ary hanamarina izany izay efa nahavita ny azy. Eo koa ny mila hanovana ny toe-tsaina amin’ny fandroritana izay atao rehetra, misy fotoana mitady ho tonga amin’ny hoe be tabataba ny atsy; ny aroa, mamaly hoe: misy mihaino? Izay ny zava-misy. Mila miova sy ovaina ny toe-tsaina, mila manana finiavana sy sahy mijoro ary miatrika… Izay no tomponandraikitra mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena mba tsy ho voarebireby sy asavovoron’ny politika.
Nangonin’i R. Nd.