Fanahimanana Tiaray: “Tsy mbola tara ny famoahana datim-pifidianana”

“Araka ny lalàmpanorenana sy ny And 51 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, manana 90 andro alohan’ny fifidianana farafahakeliny ny governemanta haka didim-panjakana manaika ny mpifidy”, hoy ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, teny Antaninarenina, omaly.
Voalaza amin’izany koa fa miankina amin’ny vinavina natolotry ny Ceni ny da­tim-pifidianana hatao amin’ io didim-panjakana io. Ny 9 novambra sy ny 20 desambra amin’ity taona ity izany. Raha eken’ny governemanta io daty io, manana hatra­min’ny 9 aogositra izy hanapahana an’izay didim-panjakana fanaikana mpifidy izay. Izay no 90 andro farafaha­keliny mialoha ny fifidianana, raha mahita ny governemanta fa tena mety tokoa ireo daty vinavinan’ny Ceni. Amin’ny 9 aogositra izany no farany hamoahana didim-panjakana fanaikana mpifidy.
Andrasana ny fanapahan-kevitry ny governemanta

Raha mitovy ny fomba fijerin’ny governemanta sy ny Ceni ny amin’izay datim-pifidianana izay, araka ny vinan’ny Ceni, hahazoan’ny governemanta mamaritra ny tetiandrom-pifidianana io didim-panjakana io. Tsy mbola tratra aoriana ny governemanta fa mbola misy efa-bolana mahery eo ny hahazoana mamoaka didim-panjakana fanaikana mpifidy.
Raha tsy mitovy ny fije­rin’ny roa tonta, anjaran’ny governemanta ny mampahafantatra amin’ny Ceni ny antony rehetra tsy mahamety ny vinavina naroso. Manao vinavina indray mandeha indray ny Ceni amin’izany. Nefa manaja ny lalàm-pifidianana ihany izay rehetra tokony hatao, satria efa mamaritra ny daty azo anaovana fifidianana izany.

R. Nd.

Partager sur: