Fandraisan’ny filoha Rajoelina ambasadaoro telo : hanohana ny angovo i Italia sy Espana ary Norvezy

Nandray ny taratasy manendry ireo ambasadaoro telo teny Iavoloha ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’i Italia sy Espana ary koa ny fanjakana norvezianina.

Anisan’ny noraisin’ny filoha tamin’izany ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Espagne, Rai­mundo Robredo Rubio. Ani­san’ny fiaraha-miasa noresahana ny hanatsarana ny fifandraisana. Eo ny sehatry ny toekarena, ny jono, ny famokarana angovo azo havaozina, ny fizahantany ary ny momba ny fiarovana .
Naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa koa ny Italiana. Anisan’izany ny sehatry ny famokarana angovo azo havaozina, ao anatin’ny fampiharan’i Italie ny “Plan Mattei”. Iarahana amin’ireo firenena Afrikana. Nivoitra izany tamin’ny fanoloran’ny masoivoho vaovao an’i Italie, i Paolo Cuculi,
amin’ny filoha, ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika.
Voaresaka koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fahaiza-miatrika, ny fiovaovan’ny toetrandro, ny varotra sy ny “Agro-alimentaire”.
Notsiahivin’ny ambasadaoro Italianina fa maro ireo mpizahantany avy any amin’izy ireo mitsidika an’i Mada­gasikara. Anisan’izany ny ao Nosy-Be. Naneho ny fahavononany ny firenena roa tonta fa hanao ny ezaka rehetra hampiroborobo io sehatra iray io sy ny hampitombo ny isan’ ireo mpizahantany Italianina, ho avy eto amintsika.

Famokarana herinaratra ao Volobe

Efa mihoatra ny 150 taona kosa izao ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Norvège. Niorina tamin’ny fidiran’ireo misionera kristianina teto amintsika. Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivohon’io firenena io eto amintsika tamin’ny filoha koa ny ambasadaoro, i Gjermund Saether. Ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta izany. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka amintsika eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo i Norvège, indrindra eo amin’ny lafiny fambolena mifanaraka amin’ny toetany. Eo koa ny fiaraha-miasa izay efa misy eo amin’ny fanabeazana, ny ady amin’ ny herisetra, ny fahasalamana, ny famokarana angovo azo havaozina. Anisan’izany ny fanamboarana tobim-pa­mo­karana herinaratra hydroélectrique ao Volobe.

Synèse R.

Partager sur: