“Tsy araka ny eritreretina hoe an’ny manam-bola ihany ny fitsarana. Endrika iray hanehoana ny hetsika fa tsy fanasaziana ihany ny fitsarana, fa natao hampianatra zo sy lalàna koa. Eo indrindra isika izao: ady amin’ny kolikoly. Rehefa mahafantatra zo sy lalàna ny olona, sarotra kokoa ny hahavoafitaka azy amin’ny kolikoly.”
Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny fanombohan’ny hetsika Fiara-Zo tany amin’ny kaominin’i Talata Volonondry, omaly.
Enti-miady amin’ny mpijirika eny anivon’ny fitsarana koa ny hetsika. Misy ny velirano fahatelon’ny filohan’ny Repoblika amin’ny ady amin’ ny kolikoly. Eo koa ny hoe fitsarana tsy mitanila, ny politikam-panjakana amin’ny fitondrana manakaiky vahoaka.
“Amin’ny alalan’ny Fiara-Zo no entin’ny minisiteran’ ny Fitsarana manatanteraka an’izany”, hoy izy. Misy ny fampahafantarana ny zo sy ny lalàna, ny ahasahian’ny vahoaka manontany sy ahazoany manao fitarainana koa avy hatrany ny mpitsara, mpisolovava, mpirakidraharaha, mpandraharaha fonja, notera….
Tsy hoe manasazy ihany ny fitsarana fa misokatra sy manakaiky vahoaka koa. Tsy hoe voavaha eo no ho eo avokoa ny olan’ny vahoaka momba ny raharaham-pitsarana, fa asaina hanatona ny fitsarana izy. Misy ny paikady tsy maintsy iantsoana ny andaniny, fa tsy mivaha avy hatrany ny olana.
Ny zava-dehibe dia ny fahafantaran’izay manan-draharaha amin’ny fitsarana izay lalan-kizorany avy hatrany.
Any Anjozorobe ny ivony anio, fa nandalo tao Talatan’i Volonondry sy Ankazondandy.
R. Nd.