Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany

Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary ma­nan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, any Androy. Mankafy ireo mpanakanto malagasy mifangaro amin’ny gadona rehetra.
Nianatra momba ny fitantanana “Master en Gestion” sy ny “Management d’entreprise” ary mbola mianatra hatramin’izao.
Efa voafidy ho mpikambana teo anivon’ny Antenimie­ran’ny varotra tany Taola­gnaro (2008). Mpikambana teo anivon’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT) ny taona 2010. Voafidy ho depioten’i Madagasikara tamin’ny tsy miankina (2014) ary mbola voafidy koa ny taona 2019 hatramin’izao. Filohan’ny vaomiera miralenta sy ny fampandrosoana eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Nisedra ny mafy teo amin’ny fiainana

Ankoatra izany, filoha sady mpanorina ny fikambanana Androy Miavotse Ma­laky, AMM (2000) ary masoivohon’ny WIP pour Mada­gascar (2017-2023). Voafidy ho filoha lefitry ny “Com­mission GEWAYD du FP SADC”. Mpikambana eo anivon’ny vondrona na fikambanana iraisam-pirenena : OCDE, UIP, Fondation Mo. Ibrahim, Concordia, WPL.
Anisan’ny nanamarika ny fiainany ny nahafatesan’ny reniny, raha vao 14 taona izy sy ny fodimandrin’ny rainy koa teo amin’ny faha-15 taonany. Miisa enina mianadahy izy ireo no mpiray tampo. Voatery nijanona tamin’ny fianarana nandritra ny herintaona ny tenany noho ny fitaizana ny zandriny faralahy, vao
8 volana monja navelan’ny reniny. Notsiahiviny fa ady foana no niatrehany ny fiainana, nanomboka teo. “Lasa matotra alohan’ny taonako aho ary tsy nanana fotoana nisitrahako ny maha zaza ahy”, hoy izy.

Maro ireo sakana eo amin’ny vehivavy

Toromarika omeny ireo tanora ny tokony hanana herin-tsaina mahery. “Eritre­reto foana fa mbola mafy ireo nandalo sedra sy fahasahiranana mihoatra noho ny anao. Aza mety kivy, ary tohizo hatrany ny mianatra. Fia­narana foana ny fiainana. Hajao ny tenanao sy ny an’ny hafa”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, tsy mbola niditra antoko politika ny tenany. Niaiky kosa ny depiote Masy Goulamaly fa mbola vitsy ny vehivavy miditra eo amin’ny sehatra politika eto amintsika. An­ton’izany ny tahotra manoloana ireo fana­tsatsoana samihafa. Eo ny fanambaniana. Eo koa ny sakana amin’ny tsy fahalalana ary ny eo anivon’ny tokantrano.
Nambarany fa afaka mandray andraikitra ny hi­rotsaka ho kandidà filoham-pirenena ny tenany raha ilaina izany. “Efa lehilahy hatrany no nitondra hatramin’izay ka raha misy ve ny vehivavy malagasy vonona ve, nahoana moa ?”, hoy izy, teo am-pamaranana.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: