Nahavita ny fianianany tamin’ny fihaonambe faha-43-n’ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina miady amin’ny kolikoly (AU-ABC) ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry Harivelo. Natao ny 25 avrily tany Arusha-Tanzania amin’izao fihaonambe hifarana ny 29 avrily izao izany.
Mpikambana vaovao voafidy tamin’ny fihaonambe faha-42 ny volana febroary teo Razafimandimby Tsiry Herivelo. Niaraka amin’ireo mpikambana miisa 11 niara-voafidy taminy.
Anisan’ny andraikitra AU-ABC ny fampiroboroboana sy ny tosika amin’ny fampiharana ny fepetra iadiana amin’ny kolikoly aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Eo ny fanoroana hevitra ireo governemanta momba ny fomba iadiana amin’ny loza ateraky ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mitovitovy aminy. Manampy izany ny fanaovana tatitra tsy tapaka momba ny dingana vita mifandraika amin’ny fampiharana ny fepetra voalazan’ny fifanarahan’ny Vondrona Afrikanina momba ny fisorohana ny kolikoly amin’ny filankevitra mpanatanteraka ao amin’ity rafitry ny firenena Afrikanina ity.
Synèse R.