“Mety hisy fiovan-javatra eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany izao; eny, na tsy mihetsika aza ny fitondram-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin.
Hita ireny depiote miova ankolafy ireny, ary mety misy ny fiforonana fiarahana manohitra ny fitondrana. Hita misy an’izany eny anivon’ny parlemanta. Hangotraka ny zavatra hisy, fa hita ny firaisamonina sivily manao fanerena ny fitondram-panjakana momba ny lalàm-pifidianana tokony hasiana fanitsiana amin’ny lafiny samihafa. Tsy vitan’ny hoe ny fianakaviambe iraisam-pirenena no manao izay fanerena izay, fa hatramin’ny mpitondra fiangonana amin’ny alalan’ny FFKM.
“Azo eritreretina izany ny hampandaniana an’io tolo-dalàna hatolotry ny fikambanan’ny firaisamonina sivily io eo anivon’ny Antenimierampirenena”, hoy izy. Raha lany izany, tsy maintsy handalo eny amin’ny Antenimierandoholona, izay tokony hanana henatra kosa. Satria noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena matoa lany izany fanitsiana lalàm-pifidianana izany. Izay tombontsoa ambonin’ny firenena izay no tokony hojeren’ny loholona. Zavatra hafa indray raha sanatria tsy lany izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana no hibaby izay mety ho vokany manoloana ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
R. Nd.