“Ho an’ny mpirotsa-kofidina, rehefa mampindrana fahefana ny tena ny olom-pirenena: lasa mpampiasa izy, satria izy no nanome asa ny tena. Manan-jo hanara-maso ny asan’ny tena izy amin’ny maha mpampindrana fahefana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fiatrehana fifidianana.
Noho izany, tsy tokony hirotsa-kofidina izay tsy mahazaka fanehoan-kevitra sy fanakianana amin’ny asany. Tsy tokony hangataka fahefana sy asa amin’ny vahoaka izy, rehefa tsy mahazaka baikoina sy arahi-maso ary kianina. Satria mangataka asa izy ho filohan’ny Repoblika, ho solombavambahoaka, ho loholona… Mila mahazaka tenenin’ny mpampiasa azy izany, fa tsy hoe ezahina tampenam-bava avokoa ny olona rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tena.
Anisan’ny tsy mampazoto ny olom-pirenena mifidy izay fanampenam-bava izay. Izy mampindrana fahefana ny tena, nefa atao izay tsy hitenenany ary izay teneniny tsy arahin’ny tena rehefa avy eo. Inona intsony no antony maha mpampiasa azy fa mametra-pialana izy, ary tsy mifidy intsony.
Fandaharanasa no fidina fa tsy olona
“Eo amin’ny olom-pirenena mpifidy, fomba iray entin’ny mpirotsa-kofidina mampahafantatra ny fandaharanasany ny fampielezan-kevitra”, hoy izy. Izay fandaharanasany izay no entiny mandresy lahatra ny tena ary angatahiny fahefana, fa ny mpifidy no tompom-pahefana. Amin’izany, izay fandaharanasa maharesy lahatra ny tena no tokony hofidina. Tsy tsangan’olona no jerena, fa ny fandaharanasany. Rehefa voafidy ilay mpirotsa-kofidina, ny fandaharanasany no ifanarahan’ny tena aminy satria izay no nentiny nandresy lahatra ny tena. Ny fanatanterahana izay no harahi-maso.
“Raha vao olona no fidintsika, rehefa avy eo izy tsy manao na inona na inona: inona àry no hataontsika amin’izany? Satria izy no nofidintsika fa tsy ny fandaharanasany. Tsy misy ny fifanarahana”, hoy ihany izy. Izay no handresen-dahatra ny olona hoe : aoka ho fandaharanasa no atao ho fototra sy antony ifidianana olona iray. Fa tsy ny fananany harena, na ny vola atobany, na ny fihetsika ivelany… Izay fandaharanasa izay no tokony hotakina.
R. Nd.