Tolo-dalàna momba ny fifidianana : manantena ny parlemanta ny vondrona Panorama

Naneho ny heviny manoloana ny hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny vondrona Panorama. Anisan’izany ny tokony hijerena ny lalàm-pifidianana.

«Ho anay, tsy fifidianana aloha no mahamaika fa ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ka eken’ny rehetra? Samy mieritreritra avokoa ireo anivon’ny parlemanta, izay mpanao politika avokoa», hoy ny mpandrindra ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace, momba ny tolo-dalàna hanovana ny lalàm-pifidianana izay manoloana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimie­rampi­renena hanomboka amin’ny 2 mey ho avy izao. Avy amin’ny vondrona politika sy firaisamonina sivily samihafa.
Samy efa mahafantatra an’io avokoa ny vondron-kery misy eto. Na firaisamonina sivily io, na mpanao politika, na depiote hitondra izany tolo-dalàna izany. Ry zareo depiote no manapa-kevitra ny amin’izay, fa raha ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena momba ny fifidianana sy ny hisian’ny fitoniana: mba mieritreritra ihany ireo depiote ny amin’izay. Satria na ny mpitondra fanjakana aza, toy ny efa miresaka an’ izay koa.

Hodinihina ny momba ny Ceni
Mba misy mieritreritra koa ireo IRD hijery an’izay tolo-dalàna izay, izay misy andininy 600 any ho any. Inona no tsy mety teo aloha ary inona ny zava-baovao entina? Voaresaka ao anatin’ izay ny Ceni sy ny fitsarana manokana momba ny fifidianana. “Ilaina ve ny Ceni sa tsy ilaina intsony amin’izao sa ny fanjakana no mikarakara mivantana ny fifidianana? Adihevitra be izay”, hoy izy.
Mahafantatra tsara fa vola sy tee-shrit no nahavoafidy azy eo. Raha tsy ho voaray intsony amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana izy, efa manomboka marary. Satria na ny vola ampiasainy amin’izany aza, tsy hanana toy ny teo aloha intsony izy. Tsy maintsy mieritreritra izy hoe andao diovina aloha ny tokontany.

R. Nd.

Partager sur: