Famerenan-kasina ny firenena sy ny vahoaka: hivory sy haka fanapahan-kevitra ireo oloben’ny foko

Hifamotoana eny amin’ny Fifakri Ilafy, manomboka ny 2 hatramin’ny 5 mey izao, ireo olobe avy amin’ireo foko manerana ny Nosy. Handinika ny raharaham-pirenena izy ireo amin’izany ary haka fanapahan-kevitra.

Anisan’ny hiompanan’ny dinika ny hananganana ny Antenimi­eran’ny foko. Nambaran’ny mpikarakara, Rakotondrasoa Noel fa tsy tompon-tanindrazana sy tsy manan-jo amin’ny taniny intsony isika izao. “Fotoana izao hamerenana ny hasina sy ny maha antsika antsika, hiarovana amin’ny mety ho vela-pandriky ny fanjanahana”, hoy izy. Nanteri­ny fa hatsangana izany Ante­nimieran’ny foko izany mba hiarovana sy ho arofanina ary ho aloky ny fa­hendrena. “Ho mizanabe tsy mitanila eo amin’ny fiaraha-monina sy ny raharaham-pirenena izahay”, hoy ihany izy. No­tsindriny fa fotoana izao hi­verenana amin’ny maha Mala­gasy. Hijere­na ny tanindrazana amin’ny fomba fijerintsika sy ny fombantsika. Ny fanomezan-danja ny soatoavina efa ni­ainana tany aloha ary anisan’ny nampiaiky izao tontolo izao.

Eo koa ny fitakiana ireo Nosy manodidina
Anisan’ny ho lahadinika koa ny momba ny fitakiana ireo Nosy manodidina.
Tsiahivina fa samy hanana solontena telo avy ireo avy amin’ny isaky ny foko, tratra antso amin’izao fihaonambe izao.
Efa nialohavan’ny fifanatonana, tamin’ireo foko samihafa, taona vitsy lasa izao. Feno ny fepetra ka hiroso amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena izy ireo. “Efa manana sy mahalala ny ataony ny fanjakana fa ny anay kosa efa mazava ny amin’ny hamerenan-kasina ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: