MMM – Fitoriana tany Fianarantsoa : “Mifanohitra amin’ny lalàna momba ny HCC ny didy”

Nivaly, afakomaly ny fitorian’ny antoko Malagasy mi­ara-miainga nanoherana ny fandrarana hanao hetsika politika. Nitondra fanazavana momba izany didim-pitsarana izany ny birao politika, ny Me Rakotomalala Rija. “Mampa­metra-panontaniana ny mom­ba ny fampiharana io didim-pitsarana io. Hita tsotra izao fa mifanohitra amin’ny La­làmpano­re­­nana, lalàna fototra iorenan’ny Repbolika. Mifano­hitra amin’ny lalàna momba ny HCC koa”, hoy izy, tetsy Ankerana, omaly. Nanteriny tamin’izany ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tamin’ny fitorian’izy ireo milaza fa tsy misy antony hitsarana izany fitoriana izany. Eo koa ny tokony andefasan’ny MMM izany, an-tsoratra hivantana any amin’ny HCC mba hanasinganana ny fifanoherana amin’ny Lalàm­pano­renana, ma­noloana ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Atitany. Notsiahi­vin’ny MMM anefa fa anjaran’ny fitsarana ny mampita izany eny Ambohi­dahy. “Ma­­zava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana fa tsy afaka manoratra mivantana any amin’ny HCC ny antoko politika”, hoy ihany ity mpahay lalàna ity. Voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny hitsivolana momba ny HCC rahateo izany, raha misy fitsarana nanoratana momba ny fifanoherana amin’ny Lalàmpanore­nana.
Notsindriny fa miaina ny foto-kevitra demokraty sy manaja izany ny MMM. Ma­metraka koa ny fanajana ny Andrimpanjakana sy ny lalàna. “Manahy ny mety ho vo­katr’ireo fanapahan-kevitra ireo manoloana ny hetsika politika mbola hatao”, hoy izy.
Nohitsiny fa fihemorana amin’ny demokrasia izany. Ilaina ny miaro ireo fivoarana demokratika efa azo. Ani­san’izany ny tany tan-dalàna sy ny fisaraham-pahefana ary ny zo fototra.

Synèse R.

Partager sur: