Antenimierampirenena : hafanafana ny fivoriana amin’izao

Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny antenimiera eto Madagasikara.
Miandry zavatra maro amin’ireo solombavany ny vahoaka!

Mafanafana ny politika tandindomin’ny fifidianana? Vao mainka mety hangotraka izany amin’izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimie­ram­pirenena izao. Misy ny ma­nantena raharaha ho azy. Hi­seho na haseho amin’ny tena endriny sy ny heviny ve, ohatra, ireo depiote mahabe resaka etsy sy eroa? Misy amin’izy ireny no efa niala amin’ny vondrona na antoko politika nahavoafidy azy. Avela ho vitavita na tsy hitahita ho azy amin’izao ny tsy fanarahan-dalàna amin’izany? Ny mpanao lalàna indray no tsy manara-dalàna. Na hoe mpanao lalàna fa tsy mpanaraka lalàna…
Misy ny manantena ny mety hiovana na hitsimbadihan’ny fifandanjan-kery politika amin’ny tsy ampoizina? Azo heverena, hono, ny mety handanian’ny Antenimieram­pirenena ny tolo-dalàna hanitsiana ny lalàm-pifidianana. Efa tsy nampiraika hatramin’izay? Eritreritra izay vinavina, faniriana… Mety hitoetra hatrany ny fahamarinan-toerana politika amin’izay misy sy iainana amin’izao? Na hoe tsy misy tambiny na takalony amin’ity famaramparanana ny fe-potoam-piasana… Mbola mamela dindo saro-kosehina amin’ny sasany ny fanangonan-tsonia tsy raikitra, saika hangatahana ny fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta.

Mba hisy raharaha hakarina HCJ amin’izay
Hanao ahoana koa ny amin’ny alahelon’ny eo anivon’ny Komity mitandro ho amin’ny fahitsiana (CSI) fa tsy mbola nisy antontan-taratasy momba ny mpitondra ambony na iray aza nakarin’ny Ante­nimierampirenena amin’ny Fitsarana avo (HCJ), nandritra izay fe-potoam-piasana dimy taona izay. Tokony ho voasazy amin’izay ny trondro va­venty amin’ny fanaovana ko­likoly sy fanodinkodinam-bola, ka hohafainganina ny fanenjehana. Hatra­min’ izay, tsy mahatratra ny fetr’isa ny depiote amin’ny fanapahana na hakarina HCJ ny raharaha iray na tsia. Hanao ahoana amin’izao fivoriana izao?
Izany rehetra izany no miandry sy andrasana amin’ny Antenimierampirenena amin’izao. Hanao ahoana? Manginy ny fifanatrehana amin’ny governemanta. Eo koa ny amin’ny tokony ha­naovana fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na tsia, izay tsy voatery atao, araka ny resaky ny fije­rin’ny firaisamonina sivily sasany; eny, na eo aza, ohatra, ny amin’ny enti-manana ny fifidianana, ny sosialim-ba­hoaka natao ho laharam-pahamehana… Solom-bavan’iza ireo solombavambahoaka amin’izany? Ny vahoaka, ny antoko, ny mpitondra tohanana ho an’izay amin’izany… Hafanafana ny raharaha?

R. Nd.

Partager sur: