Tontosa omaly, nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa, ny diabe nokarakarain’ny Solidarité Syndicale de Madagascar, SSM sy ny Conférence des Travailleurs Malagasy, CTM. Niainga teny Tsaramasay Ankazomanga ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia izany diabe izany. Tonga namaly ny antson’ny mpikarakara ny mpiasa samihafa, indrindra ny avy amin’ny tsy miankina. Lohahevitra novoizina tamin’izany ny hoe ” Mpiasa Malagasy leon’ny fitotonganan’ny fahefa-mividy”. “Hetsika sendikaly, noho izao Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa izao, no ataonay fa tsy hetsika politika. Tsy tokony hisy olana amin’ny mpitondra na ny minisiteran’ny Atitany mihitsy ny hetsika”, hoy Andrianavalona Herizo, Filohan’ny SSM.
Diabe no nentin’ny mpikambana teo anivon’ny SSM sy ny CTM, notronon’ny mpiasa nentanin’izy ireo, nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny hetsika, ary tsy nisy fanakatsakanana. Ankoatra ny diabe, nisy ny fifampizarana sy fanehoan-kevitra ary lanonana fankalazana ho an’ny teo anivon’ny SSM sy ny CTM ary ny mpiasa tsotra, izay natao teny amin’ny Kianjan’Alarobia avokoa. “Amin’ity taona ity, naompana bebe kokoa amin’ny fanairana ny tomponandraikitra mahakasika ny fahefa-mividy, izay tsy mitsahatra miakatra, ny Sendika sy ny mpiasa.” hoy Andrianavalona Herizo.
Lin (Mpianatra asa)