Mahajanga : saika nifandona ny depiote sy ny zandary

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Miha­va Tour. Tany an-drenivohitr’i Boeny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nafam­pana ny raharaha, na­nomboka teny am-pidirana ny tanàna hatreny amin’ny toerana nifamotoan’izy ireo tamin’ny mpanara-dia.
Nisy fotoana efa nifampisintonan’ny depiote Voni­na­hitsy Jean Eugène sy ny mpitandro filaminana iray ny vy maranitra, natao sakan-dalana. Narahin’ny feo avo sy fifamaliana izany. Nivaha ihany anefa avy eo ka afaka nandroso nihazo ny tanàna ireo depiote, notarihin-dRandria­na­soloniaiko Siteny. Natao tao amin’ny toerana Holydays ny hetsika.
Nilaza ny solombavambahoaka Voninahitsy fa miisa 12 izao ireo depiote miaraka amin’ny Mihava Tour. Mbola maro ireo hafa ho avy rehefa mametra-pialana ny filoha Rajoelina, araka ny nambarany. Notsiahivin’ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny kosa fa tsy miaraka amin’izao fitondrana izao intsony izy ireo noho ny fampanantenana tsy tanteraka. Toy ny tsy fisian’ny asa…
Nampahafantarina tany Mahajanga ihany koa ny mpandrindra nasionalin’ny “Pro Siteny”.
Mitazona izany andraikitra izany ny depiote, Ra­beni­rina Jean Jacques. Mpan­drin­dra ny any Mahajanga kosa i Voninahitsy Jean Eugène sy Jaosera Irenée, miaraka amin’i Afa­kandro Christian.

Synèse R.

Partager sur: