Iza izy ? Ny depiote voafidy tao Ambositra, Andriatahinanomenjanahary Félicien Simon de l’Enfant-Jésus. 58 taona ary zaza faharoa amin’ny farany amin’ireo 9 nateraky ny ray aman-dreniny. Hankalaza ny faha-30 taona ny mariaziny, tsy ho ela miaraka amin’ny vady aman-janany izy. Nianatra tao amin’ny CEG sy ny Lycée Ambositra ary nirotsaka an-tsehatra nanao miaramila an-tsitrapo tao amin’ny Ensop Antsirabe. Nahazo ny galona “Sergent” ny taona 1987, tamin’ny andiany faha-47 “Ezaka”.
Niverina nody ary niasa tao amin’ny Radio FM 104, nanomboka ny taona 1996.
Efa filohan’ny Ekar Fo madion’i Maria Katedraly, Ambositra .
Voafidy ho ben’ny Tanàna tao an-toerana (2004-2007). Efa filohan’ny filankevitra monisipaly Ambositra (2014-2018). Voafidy ho depiote amin’ny alalan’ny tsy miankina ny taona 2019.
Anisan’ny nanamarika ny fiainany ny niainany ny fahantrana. Namelomany ny zanany telo ny fivarotana mofo. “Na izany aza, niezaka nanao asa sosialy teo amin’ny fiarahamonina. Nitandrin-tena koa ary nametraka ho ambony ny fanajana ny hafa sy ny fitiavam-bavaka”, hoy izy.
Mpanoratra, mpanatontosa, mpilalao tantara…
Mbola manohy ny asany ao amin’ny onjam-peo ny tenany. Mpanao gazety sady mpanentana fandaharana. Mpanoratra sy mpanantontosa ary mpilalao tantara.
“Nisafidy nanao politika aho ahafahako mandray anjara bebe kokoa amin’ny fanampiana ny mpiara-belona sy ho fampandrosoana ny faritra misy ahy ary ny firenena”, hoy izy. Notsiahiviny fa anisan’ny nitantana sy nampianatra azy ny politika Razafimahaleo Herizo.
Momba ny lalàm-pifidianana kosa, nambarany fa tokony ampiasaina ny efa eo amin’izao fotoana izao. Hatevenina kosa anefa ny fanaraha-maso.
Nambarany fa misy olana ny fanaovana politika eto amintsika. Eo ny fanarahana ny fitsipika ifampifehezana eo anivon’ny antoko. “Tsy afaka miteny sy maneho hevitra ianao raha misy ny lesoka na ny tsikera tokony ho fanatsarana noho izany fepetra sy fitsipika izany”, hoy ihany izy.
Nangonin’i Synèse R.