Nanao fanambarana tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ ny asa fanaovan-gazety, omaly, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina(MSK), Rakotondrazafy Lalatiana. Nambarany, fa tsy ny governemanta na ny fitondram-panjakana no olana eto.
«Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Anisan’ny miantoka izany fahalalahana izany ny lalàna, nivoaka ny septambra 2020, raha tsy nanana izany isika teo aloha”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny ambana amin’ny fahalalahana amin’ity asa ity ny tsy fahafehezan’ny mpanao gazety ny lalàna, mifehy azy. Nohamafisiny fa mbola maro no tsy mahafehy izany. Diso hatrany amin’ny fanehoan-kevitra rehefa misy tranga miseho manodidina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Notsindriny fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisitera ny ady amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso na ny “Kaonty fako”, eny hatramin’ny haino vaky jery. “Efa tsy mahataitra intsony ny famoahana vaovao diso. Tsy fahalalahana anefa ny famoahana izany sy ny famadihana ny vaovao”, hoy izy. Olana ny lentam-pahalalan’ny asa fanaovan-gazety na eo aza ny fampianarana sy fampiofanana miforona eny anivon’ny fanjakana sy ny tsy miankina.
Mihidy ny loharanom-baovao
Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Monica Rasoloarison kosa fa mbola mihidy ny ankamaroan’ny loharanom-baovao eny anivon’ny fitondram-panjakana. “Tsapa fa mikatona ho an’ny mpanao gazety izany, araka ny tatitra voarainay”, hoy izy. Novakiany bantsilana fa iharan’ny fandrirarirana ny mpitady vaovao. Tokony manana zo hisitraka loharanom-baovao anefa ny mpanao gazety, araka ny voalazan’ny lalàna.
Nanteriny fa anisan’ny tafiditra amin’izao fikaonandoha, hatramin’ny anio izao ny hakana hevitra hamaritana ny politika momba ny famoahana ny vaovao. “Mahazo vahana izany anaty tambajotran-tserasera ka sahirana ny olom-pirenena amin’ny famantarana ny vaovao diso sy ny marina. Antenaina fa hanatsara izany ny fikaonandoha”, hoy ihany izy.
Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny atrikasa ny OJM sy ny MSK ary koa ny Pnud.
Synèse R.