“Ny fanalana ny minisitry ny Fitsarana teo aloha no fitakiana voalohany azonay. Tsy nahomby ary tsy vonona hamaha olana izy aminay. Tonga ny minisitra vaovao, mahatsapa izahay fa lasa mijanona ho resaka ny raharaha. Hatramin’izao, tsy misy zavatra tena azo tsapain-tanana antenaina ho azo”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaro Alain Michel.
Izay no hanomanan-dry zareo fivoriambe: hanaraka izao somary mangina izao sa hotohizina mafimafy ny tolona? Ny teo aloha mitabataba fa tsy manome; ny amin’izao, manaiky hiresaka fa tsy misy valin-teny azo tsapain-tanana. Efa folo taona no nitaky, fa tsy nahazo na iray aza. Ny teo an-tanana aza, nalan’ny minisitra teo aloha: ny karama sy ny tambin-karama tamin’ny faran’ny taona. Na izany aza, isaorana ny minisitra amin’izao ny nameranana ny tambin-karama tsy azo. Iray volana latsaka no tsy niasa dia ny tambin-karama mandritra ny taona no foanana?
Mitoetra hatrany ny fitakiana
Anisan’ny takin’ny sendikà ny fampidirana an’ireo manana maripahaizana ao anatin’ny sehatra sahaza azy. Tsy tanterahin’ny fanjakana izay, fa mitaky tetibola. Ankoatra izay, saika ny mpirakidraharaha sisa no sahanin’ny talen’ny fitantanana mpiasa. Tsy mpitsara tsy mpirakidraharaha no mitana izany. Nefa manana olona azo hapetraka amin’izany ny mpirakidraharaha. Angatahin-dry zareo koa ny amin’ny baiko fanenjehana amin’ny fitsarana, fa tondro-molotra no atao amin’ny mpirakidraharaha dia any am-ponja. Nefa firifiry ny manao hadalana ao amin’ny fitsarana?
R. Nd.