Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Maneho ny heviny ny mpikamban’ny fikambanana Mandray an-tanana ny hoaviny (Za Ambohimandray), Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Marina aloha izay hoe amin’ny lafiny materialy no handrisihana ny olom-pirenena hifidy ny kandidà iray, nefa tsangan-kevitra sy fandaharansa no tokony hifidianana azy..” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso fifidianana ny fizotran’ny fanamarinana ny lisitra vonjimaikan’ny mpifidy amin’izao?
Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Hita aloha fa mirindra ny fanatanterahana ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Ao anatin’ny fanamarinana ny lisitra vonjimaika izao, izay anentanana ny olom-pirenena hijery sy hanamarina ary hanao fanamarihana raha misy izany. Hifarana amin’ny 6 mey ho avy izao izay fanamarinana eny anivon’ny fokontany izay.
Satria 20 andro no ijanon’ny lisitra eny, ahazoan’ny olom-pirenena manamarina ny momba azy. Rehefa vita izany, hiakatra eny anivon’ny distrika izany hahazoana manao fanitsiana avy amin’ny alalan’ny fanamarinan’ny mpifidy teny anivon’ny fokontany.
* Ny fahitanareony olom-pirenena amin’izay fanamarinana izay?
– Amin’izao, na misy aza ny fanentanana maro isan-karazany hanao an’izay: hita ihany fa somary marisarisa ny olom-pirenena. Na izany aza, mbola mitohy hatramin’ny 31 mey ny fisoratana anarana. Isika Malagasy, saika miandry fotoana farany… Mazava ho azy fa noho ny antony fitadiavana sy asa… Misy, ohatra, ireo olona tsy mijanona ao an-tokantrano noho izany, ao ny manefa iraka na mandeha lavitra ka miala amin’ny faritra misy azy. Misy ihany koa ireo mino avy hatrany fa efa nisoratra anarana izy, ka hoe tsy mila izay fanamarinana izay. Nefa misy fahadisoana ihany izay indraindray.
Na izany aza, misy koa ny fahazoana manao fanamarinana amin’ny “site-web” sy ny “facebook”-n’ny Ceni. Mahazo manao fanamarinana amin’izany ny olom-pirenena rehetra. Hita hoe ambony ny fahavitrihan’ny olom-pirenena amin’izay fijerena “site-web” sy “facebook” izay. Ireo adihevitra samihafa eny anivon’ny “facebook” sy ny haino aman-jery samihafa no ahafantarana an’izay.
* Aiza ho aiza ny olom-pirenena amin’izao toe-draharaha politika efa manomboka mafanafana izao?
– Na eo aza izay raharaha politika hoe mafanafana izay, raharahan’ny olom-pirenena ny fifidianana. Izy no mandatsa-bato rehefa tonga ny fotoana amin’izany. Izy no tompon’antoka sy tomponandraikitra voalohany amin’ny hoaviny amin’izay lafiny izay. Mpandray anjara ny mpanao politika amin’ny firotsahana na fandrotsahana kandidà, nefa ny olom-pirenena no misafidy an’izay amin’ny alalan’ny latsa-bato.
Izay no anentanana ny olom-pirenena tsy hanao ambanin-javatra ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena izay amin’ny alalan’ny fifidianana. Satria zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny taranaka izay fandraisana anjara sy fifantohana amin’izay.
Marina aloha izay hoe amin’ny lafiny materialy no handrisihana ny olom-pirenena hifidy ny kandidà iray, nefa tsangan-kevitra sy fandaharanasa no tokony hifidianana azy. Endrika isehoan’ny kandidà ny tsangan’olona rehefa tonga ny fifidianana, fa anjaran’ny olom-pirenena ny mijery an’izay: mandray andraikitra ary misafidy amin’ny fandinihana izay vinam-piarahamonina sy tetikasa entin’ny kandidà handresen-dahatra ny mpifidy.
Nangonin’i R. Nd.