“Mazava ny voalazan’ny fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena momba ny vondrona parlemantera. Mbola ambonin’izany ny And. 72 ao amin’ny lalàmpanorenana, raha mivaona amin’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny vondrona politika nahavoafidy ny tena dia azo aongana tsy ho solombavambahoaka intsony. Tsy atao gaboraraka ny fanaovana politika eto Madagasikara.”
Io no nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemantera IRD, ny depiote Velontsara Paul Bert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ireo depiote miala amin’ny vondrona politika nahavoafidy azy. Misy fitsipi-pitondran-tena sy soridalana politika arahina, raha miditra ao anatin’ny vondrona parlemantera. Tsy maintsy ny maro anisa izay depiote miisa 111 no hivory. Izay hevitra mivoaka amin’izany no hampiharina ato amin’ny vondrona misy azy ireo.
Tsy misy ny faneriterena
Tsy misy faneriterena na fanambatambazana vola ny fiarahan’ny depiote 111, fa resy lahatra amin’ny politika fampandrosoana ataon’ny filoha Rajoelina. Malalaka izy ireo amin’ny fanapahan-keviny manohana ny filoha mba hahazoany manohy ny asa fampandrosoana marolafy.
Misy tokoa ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD nania, namadika ny vondrona parlemantera sy ny filohan’ny Repoblika toa ny depiote isany Randrianasoloniaiko Siteny Thierry voafidy tany Toliara I, Rabenirina Jean Jacques tany Betioky Atsimo, Mohamad Ahmad tany Fenoarivo Atsinanana, Djaosera Irénée tany Analalava, Zafinandro Perle Bien Aimée tany Taolanaro. ” Tsy manaja ny fitsipi-tondran-tena sy ny soridalana politika mifehy ny vondrona parlemantera. “Hiarahantsika mahita eo ny ho tohiny”, hoy izy.
R. Nd.