Andrianainarivelo Hajo : “Mila hajaina ny lalàna”

Anisan’ireo naneho ny heviny momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­naina­rivelo Hajo. Niara­hana amin’ny eo anivon’ny Transpa­rency Interna­tional Initiative Madagascar sy ireo mpanao politika hafa izany. Nitovian’ny rehetra hevitra fa mbola maro ny fepetra tsy mbola tafapetraka. Izany anefa no ahafahana mahazo ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM fa efa anatin’ny fikarakarana ny fifidianana tanteraka isika izao. “Tsy miova ny fijerinay hatramin’ny voalohany. Mila hajaina fotsiny ny la­làna rehetra”, hoy izy. Nante­riny ho anisan’ny manan-danja manokana amin’izany ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety. Apetra­ka koa ny “Autorité nationale de régulation de la Communi­cation médiatisée – ANRCM”. Antoka lehibe io hikarakarana fifidianana madio sy hiarovana ny zon’ny kandidà tsirairay avy, araka ny nambarany. Tsy ho an’ny MMM irery no hiadiana ho amin’izany. “Natao ho an’ireo rehetra manam-paniriana hitondra ny anjara biriky eo amin’ny politikany izany”, hoy izy.
Niaiky koa ireo mpiantsehatra fa iankinan’ny fahalavorarian’ny fanatontosana ny fifidianana ny asa fanaovan-gazety. “Tsy malalaka amin’ny fahazoana loharanom-baovao avy eo anivon’ny Ceni ny mpanao gazety ary tsy mbola tafapetraka mandraka androany koa ny ANRCM”, hoy izy ireo.
Anisan’ny nitondra ny heviny tamin’izany ny filohan’ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul sy ny solontenan’ny EISA, i Valdiodio Ndyaie.

Synèse R.

Partager sur: