Ravonison Tintin : “Vahaolana ny fihaonan’ireo filoha telo “

Izy telo mirahalahy izay efa filoha voafidy, Ravalo­manana sy Rajaonari­mam­pianina ary Rajoelina, no tokony hihaona any amin’ny trano fisainan’ny FFKM, raha ny tolo-kevitra naro­son’ny mpandinika rahara­ham-pirenena, Ravonison Tintin, mom­ba ny toe-dra­hara­ham-pirenena. “Mba tsy hisian’ny fanavakavahana, antsoina koa ry zareo Silamo satria samy Malagasy”, hoy izy.
Miainga amin’izay ny fanadiovana. Izay tapak’izy telo mirahalahy ireo no tanterahina. Tsy mila mpanolotsaina na telefonina iza na izay hakan-kevitra no hiharan’izay tapaka eo raha misy zavatra tsy miady.
Ilay olona nomena tolo-tsaina no mahita angano amin’izany.
Izy telo mirahalahy ireo no fanalahidy hamoahana ny firenentsika amin’ny fahalovana izao.
“Raha tsy izy ireo aloha no mihaona, mihodinkodina eto isika”, hoy ihany izy.
Efa eo ny FFKM izay raiamandreny, angatahina amin’ny fampihaonana. Hain’izy ireo ny mandamina ny ondriny hifanatona sy hifampiresaka.
Tsy mbola tratra aoriana izao. Manao antso ny amin’ny tokony hihaonan’izy telo mirahalahy izy. Tsy misy rafitra toy ny FFKM eto ambonin’ny tany, fa eto Madagasi­kara irery no misy an’io. Mi­tady handeha amin’ny lalan-tokana ny demokrasia misy eto amin­tsika: demokrasia rehefa ny mpanohitra no miteny, ary lazaina fa jadona rehefa ny mpitondra no miteny.

R. Nd.

Partager sur: